Search lyrics

Typing something do you want to search. Exam: Artist, Song, Album,Writer, Release Year...
if you want to find exactly, Please input keywords with double-quote or using multi keywords. Exam: "Keyword 1" "Keyword 2"

Singles


Artist: Mahaleo
Total songs: 3
Year:

Meloka Lyrics - Singles - Mahaleo

Fantatro fa tsy azo atao 

Meloka ny mitia anao 

Saingy tsy voatanan'ny foko 

Tiako an-tsokosoko 

 

Notanako am-po tsy hiloaka 

Noferako tsy navelako hivoaka 

Nefa Toa hery tsy hay hitoaina 

Tiako hodradradradraina 

 

[Chorus:] 

Fa eo ianao anilako eo 

Hitako sy reko feo 

Toa akaiky nefa tsy takatro 

Tsy ho ahy ianao fa fantatro 

 

Fa ny anao ny fo efa manan'tandrify 

Efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify 

Ny ahy misy tady eny ambozonana 

Midiridiry tsy hay takomana 

 

Ny taonantsika ko mifanelanelana 

Izaho efa malazo enao vao vo mamelana 

Ianao hary elatra hety hisidina 

Izao efa hitsingidina 

 

[Chorus:] 

Ny tanantsika te hifanantona 

Nefa tsy nihaona akory, indreny nihantona 

Samy tia nefa tsy manantena 

Ny lalantsika tsy hifanena